Fitaovana mahomby amin'ny fanentanana sy fanabeazana ny literatiora
- Malagasy Manoratra
- 12 mai
- 2 min de lecture

Ao anatin’ny tontolo iray miova haingana sy mivelatra amin’ny teknolojia no misy antsika izao, na dia eo aza anefa izany dia misy zavatra iray tsy azo soloina mihitsy: ny herin’ny literatiora. Raha miresaka fanentanana sy fanabeazana ny fiarahamonina isika, dia mitana anjara toerana lehibe ny literatiora.
Ny literatiora dia teny ampitana hafatra manan-danja amin'ny endrika kanto, izay tsy natao hojeren'ny maso fotsiny, fa natao ihany koa hanaitra ny saina, hampihetsi-po, ary hampiova fomba fijery. Mampiray izy, manangana fahatsiarovan-tena, ary manarina indray ny fahaverezan’ny maha-olona.

Hira, Tononkalo, Tantara: fanoitra ho an’ny fanovana
Rehefa miray amin’ny feo sy teny manan-kery ny hira, dia mivadika ho hery entin’ny vahoaka mitaky fiovana sy maneho ny fihetseham-pony. Ny tononkalo kosa, toy ny lakolosy mandona anaty fanahy. Manokatra varavarana mankany amin’ny fahatsiarovan-tena lalina. Ny tantara dia endrika fanehoana fiainana, mampita traikefa, mampianatra, manangana fitadidiana iombonana.

MALAGASY MANORATRA: Soratra entin’ny fitiavana sy fanabeazana
Ao anatin’ity ezaka lehibe ity, ny MALAGASY MANORATRA, fikambanan’ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy, no anisan’ny mpamolavola ara-javakanto mitondra hafatra sy fanabeazana. Izy dia fikambanana iray manome sehatra ho an’ny mpanoratra sy poeta, mitahiry sy manandratra ny teny Malagasy, ary mampitombo ny fahaiza-mamorona sy ny fahatsapan’ny fiarahamonina amin’ny maha zava-dehibe ny literatiora.
Amin’ny alalan’ny atrikasa, famoaham-boky, seho an-tsehatra, fizaràna tononkalo amin’ny tambajotra, dia miezaka mandrindra sy manitatra fikambanana MALAGASY MANORATRA ny fitiavana soratra sy fanabeazana. Tsy kanto fotsiny no aroson’izy ireo, fa tafiditra ao anatiny ny vina sy adidy ara-piarahamonina: hampandroso ny saina sy hanabe ireo taranaka.

Famaranana: Asa Soratra ho Fanilo ho an’ny Firenena
Ny literatiora dia tsy resaka zavakanto ihany. Izy dia fitaovana iray mamolavola ny fiarahamonina hirindra sy hilamina. Raha ampiasaina amin’ny fomba mahomby, dia afaka manova toe-tsaina, manarina hadisoana, ary mampiaina indray ny maha-olona antsika. Ho antsika Malagasy, anisan’ny harena tokony hosaintsainina sy harovana ny literatiora.
Ary amin’izany sehatra izany, ny MALAGASY MANORATRA no iray amin’ireo mpiantsehatra an-javakanto mitarika, manoratra ary manely izany ho an’ny fanabeazana.
Comments