top of page
bg-index_edited.jpg

Fikambanan'ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy

Ny MALAgasy MAnoratra (MALAMA-FP) dia fikambanana Mpanoratra sy Poeta Malagasy izay miangaly ny literatiora an-tsoratra. Raha toa ka mahaliana anao izany dia manasa anao hamantatra bebe kokoa ny mahakasika ny fikambanana izay hitanao ato anatin'ity tranonkala ity!

NY FIKAMBANANA MALAGASY MANORATRA

Mihamiroborobo ny fikambanana mivoy ny literatiora ankehitriny. Isan'ny iray amin'ny fikambanana vao misondrotra manantevin-daharana izany ny MALAgasy MAnoratra. Ity fikambanana ity izay niorina tamin'ny taona 2017 ary miezaka miely patrana amin'ireo faritra rehetra manerana ny nosy. Ireo poeta vao misandratra no isan'ny mamelona ity fikambanana ity, hita ao ihany koa anefa ireo zoky efa andrarezina izay manoro sy mizara traikefa amin'ireto ankizy ireto.

365745653_307736858310387_6191634384199232673_n.jpg
Fanomezana sehatra ho an'ny mpanakanto
369067913_314011221016284_803090165322650577_n.jpg
Fifandraisana eo amin'ny samy mpanoratra
368242773_314004941016912_2570421732353895763_n.jpg
Fanabeazana ho an'ny fiarahamonina

FANTARO!

Ny tanjona sy atrik'asan'ny fikambanana

Ny MALAgasy MAnoratra dia fikambanana manana tanjona sy tarigetra tratrarina. Raha fintinina dia ireto enina ireto no isan'ny tanjona lehibe indrindra:

Hamerin-kasina ny teny

Hamerin-kasina ny literatiora an-tsoratra

Hanampy ireo mpanoratra tsy ho very na takona anaty tantara

Hanome lanja manokana ny ambany tanàna sy ny tontolo ambanivohitra

Hanampy ny tanora amin'ny fanabeazana ara-batana, ara-môraly, ara-tsaina

Hampianatra ireo tanora tsy mahay mamaky teny sy manoratra

Fond bleu.jpg

Andao isika hiaraka hanandratra avo ny teny Malagasy!

Mitombo isa hatrany ankehitriny ireo ankizy sy tanora liana amin'ny tontolon'ny Haisoratra Malagasy. Maro amin'izy ireo koa no tsy nitoetra fotsiny eo amin'ny toeran'ny mpankafy fa niroso lalindalina kokoa ho mpanapy isa ny mpiangaly teny. Toy ny zavamaniry anefa ny mpanoratra sy poeta! Manomboka mamaky tany aloha ka mety mbola ho tsimoka tsy dia mahaliana loatra no hita eny amboalohany. Amin'izy vao mitsimoka iny anefa dia mety hisy zavamaniry hafa hibahanana azy tsy hisandrahaka, mety hisy ny hanongotra azy tsy handatsa-paka. Rehefa lehibe aza moa izy mbola mety hisy hikapa na hisy hijoro ho tadio hampianjera azy mihitsy. Izany tranga rehetra izany no antony hijoroan'ny MALAgasy MAnoratra mba hiaro sy hitari-dalana ireo zandry vao misandratra izay antenaina ho rehareha sy andrarezin'ny Literatiora Malagasy atsy ho atsy! Tsy mahavita tena ny MALAMA FP ary tsy mandeha anjambany ihany koa, fa na dia tanora vao erotrerony ary ireto mpitarika dia miezaka hatrany mangataka tso-drano sy torohevitra amin'ireo Ray amandreny efa nahatety vanimpotoana tato anatin'ity tontolon'ny literatiora ity! Manantena ny maniry ny mba hamakivaky vanimpotoana koa izahay, ka mila ny fitantananareo zoky sy ny fanohananareo mpankafy!
 

bottom of page