top of page

Ireo lalana nodiavin'ny fikambanana

Azo lazaina fa mbola isan'ny fikambanana zandriny ny MALAgasy MAnoratra. Fantaro ary ny lalana nizorany nanomboka tany ampanombohana!

2016

I- TAMBAZOTRAN-TSERASERA

Ny taona 2016 no niorina ny Vondrona an-tambazotran-tserasera tao amin'ny Facebook izay nitondra ny anarana "MALAgasy MAnoratra (MALAMA)". Vondrona tsotra izay natao hanelezana tononkalo fotsiny ihany izy io izay notantanin'i Fidy Art Niaina sy Hanitra Randria. Ireo ankizy izay vao nanomboka nanoratra tao amin'ny Kolejy Masindahy Josefa Mahamasina no nikatroka tao anatin'izany vondrona izany toa an'i Sandanomena (TL1 2017), Fidy Art Niaina (TL1 2017), Nia'h Harilala (PS 2017), RFC (T10), Mim's RAKOTO (TL1)...

tsimoka.png
logo-taloha
csjm_bas_edited.jpg
2018

II- MAINTIMOLALY KOLEJY MASINDAHY JOSEFA MAHAMASINA

Ny taona 2018 dia nisy ny fihaonana teo amin'i Fidy Art Niaina sy Ny Iraka RAMBOLAMANANA, ity farany izay hamoaka ny boky "VANJA NILEVINA" ka nanantona sy nanentana tao amin'ny Kolejy Masindahy Josefa Mahamasina. Taorian'io famoaham-boky io dia niezaka nampivondrona ireo mpanoratra rehatra efa nandrato fahalalana tao amin'io kolejy io izy mirahalahy ka nanangana ny Vondrona Poeta sy Mpanoratra Maintimolaly CSJM. Iraika ambinifolo (11) mianadahy izy ireo no nivondrona tao anatin'izany izay nahitana an'i:

Ny Iraka RAMBOLAMANANA,
Ankoay Mikolohasina Andrianarisoa,
Flax Teyller,
Haintso Natiora,
  Hasina RAKOTOHASINA,
Fidy Art Niaina,

Lisy Kely,
Nia'h Harilala,
Mim's Rakoto
Be
Johanna Andriantsoa

Nikasa ny hanao hetsika izy ireo ny taona 2018 izay hankalazana ny faha-40 taona niorenan'ny Maintimolalin'ny Kolejy Masindahy Josefa Mahamasina. Noho ny tsy fahatontosan'io hetsika io anefa dia lasa nangina ny vondrona taty aoriana.

logo-ankiz'art.png
fete de la musique - MALAgay MAnoratra.jpg
ivotoerana
2019

III- FIKAMBANANA ANKIZ'ART ANOSIBE

Ny Jolay 2019 i Fidy Art Niaina dia voatendry ho Filoha Tale Mpitantana ny fikambanana ANKIZ'Art Anosibe. Ny 27 Martsa 2021 dia nisy ny hetsika LANITRA FAHAFITO izay nankalazany ny fahafito taona nanoratany.
Nanomboka teo dia nitsagana ny sampana Literatiora an-tsoratra tao amin'ny ANKIZ'Art ka ilay anarana "MALAgasy MAnoratra" ihany no notazonina. Mirahalahy izy ireo no nitantana izany sampana izany dia i Fidy Art Niaina sy Fandrotrarana (RAKOTONDRAMANANA Roland Théodore). Fito mianadahy izy ireo no tao anati'izany sampana izany izay nahitana an'i :


1- Fidy Art Niaina
2- Vetson'ny Fy-arovana
3- Malalatiana Tsinjonarivo
4- Tsioka Tokana
5- Fandrotrarana
6- Stéphan HR

7- Fenosoa Toavina

2021

IV- FIKAMBANANA  MALAGASY MANORATRA (MALAMA-FP)

Ny 25 Septambra 2021 dia nisy ny hetsika izy nokarakaraina fikambanana efatra (ANKIZ'Art Anosibe, SOAMIELY Ampitatafika, Tanimanga Fondation, MALAgasy MAnoratra) izay nampitondraina ny anarana "MBA AKARO 'TY E!". Noho ny olana ara-teknika anefa dia rava io hetsika io ka nanomboka teo dia naka aina kely ny fikambanana ANKIZ'ART. Nanohy ny dia hatrany nefa ny sampana MALAgasy MAnoratra ka nisy ny fampihaonana ireto sampana tato amin'ny ANKIZ'art sy ny Mpanoratra Maintimolaly CSJM.
Tapaka tao anatin'ny fihaonana fa hanangana birao mahaleo tena ny MALAgasy MAnoratra ka hitondra ny anarana "Fikambanan'ny Poeta sy Mpanoratra MALAgasy MAnoratra (MALAMA-FP).

Ny 20 Febroary 2022 no voafidy ny birao voalohany izay nahitana an'i:
Filoha mpitantana :  RAKOTOARIMANANA Sandanomena Aymar
Filoha mpanorina  :  ONJANIAINA Aubertto Sanders
Sekretera Jeneraly :  RAVAOARIMANANA Ernestine
Mpitam-bola        :  RAHOLIARISOA Valerie
Mpanolotsaina     :  RAKOTONDRAMANANA Roland Theodore 

image_0980383_20210110_ob_38d7d0_wallpaperflare-com-wallpaper-12.jpg
Birao

NY 04 Aogositra 2022 no nijoro ara-panjakana teto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny fikambanana MALAgasy MAnoratra (MALAMA-FP) izay fehezin'ny didy hitsivolana laharana 60.133.

2023

Ireo faritra ahitana ny sampana MALAgasy Manoratra

bottom of page