Ny fidiran'ny Ilon-tsaina Artifisialy (Intelligence Artificielle / IA) eo amin'ny sehatry ny literatiora.
- Onjaniaina Aubertto
- 6 mai
- 2 min de lecture

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny revolisiona nomerika, miditra an-tsehatra amin’ny sehatra rehetra ny Ilon-tsaina Artifisialy (IA). Tsy mijanona intsony amin’ny sehatry ny rôbôtika na siantsa sy teknolojia fotsiny ny Ilon-tsaina Artifisialy (IA), fa miditra lalina koa amin’ireo sehatra noheverina hatrizay fa tsy ho voasolo mihitsy amin’ny milina, toy ny literatiora.
Fa ahoana moa no ahafahan’ny Ilon-tsaina Artifisialy sy ny Literatiora miara-miaina? Tsy manimba ilay fahatsapana maha-olombelona ao amin’ny literatiora ve ny fidiran’ny Ilon-tsaina Artifisialy amin’ny asa famoronana?

Ny fidiran'ny Ilon-tsaina Artifisialy amin’ny famoronana soratra
Amin’izao fotoana izao, afaka manoratra tantara fohy, tononkalo, na lahatsoratra araka ny fangatahana ataon’ny mpampiasa azy ny IA. Tsy zoviana amin’ny maro intsony i ChatGPT, izay anisan’ny Ilon-tsaina Artifisialy afaka manoratra amin’ny fomba manakaiky ny an’ny fahatsapana maha-olombelona mihitsy. Mahavita manamboatra tononkalo amin’ny endrika sy fomba fanoratra samihafa izy, ka tsy vitsy ny manontany tena: "ahoana raha lasan’ny IA ny sehatra famoronana?"

Fandinihana ara-pomba sy ara-pihetseham-po
Tsy azo lavina fa manam-pahaizana amin’ny famakafakana sy famoronana ara-drafitra ny IA. Fa ny fihetseham-po lalina, ny fahaizana mitantara ny zava-misy, ary ny fisafidianana ireo sarin-teny maro hahasarika ny mpamaky dia mitaky traikefa sy fahatsapana lalina tsy azon'ny milina tsapaina. Ny poeta sy mpanoratra dia tsy manoratra fotsiny, fa miaina sy mamolavola avy amin’ny tontolo manodidina azy sy ny fahatsapany manokana.

Fiara-miasa fa tsy fifaninanana
Angamba ny fomba fijery tsara kokoa dia ny fahitana ny IA ho fitaovana, fa tsy mpifaninana. Raha toa ka afaka manampy amin’ny fikarohana, fanoratana haingana, fanitsiana ara-pitenenana sy fanomezana aingam-panahy ny IA, dia afaka mitondra fanavaozana sy fanatsarana ho an’ny mpanoratra izany.
Ankehitriny, efa misy ihany koa ny IA afaka mamakafaka tononkalo, manampy amin’ny famoronana endrika vaovao amin’ny hainteny, na manome tolo-kevitra amin’ny famoronana tantara foronina. Raha ampiasaina am-pitandremana sy am-pahaizana, dia afaka miteraka fahavitrihana sy hatsarana bebe kokoa ho an’ny sehatry ny literatiora izany.

Famaranana: Tsy sakana, fa sehatra vaovao hivelarana ny Ilon-tsaina Artifisialy
Tsy tokony hatahotra ny IA ny mpanoratra sy poeta, fa tokony handinika ny fomba hanararaotana azy ho fitaovana fanitarana fahafahana mamorona. Fa na dia matanjaka aza ny IA, dia mbola ny fo sy ny saina maha-olombelona ihany no tena fanilo mamiratra amin’ny literatiora. Ary izany no hitoeran’ny maha-zava-kanto azy.
Lahatsoratra: Fidy Art Niaina - 06/05/2025
Comments