
Anaran'ny hetsika :
TAOM-BAOVAO MALAGASY 2024 (Antsirabe)
Sokajy :
Zavakanto maro loko
Mpikarakara:
Sampan-draharahan'ny serasera sy ny kolontsaina Vakinankaratra
Daty:
10 Martsa 2024
Toerana:
Tranoben'ny serasera sy ny kolontsaina Akon'Ankaratra Antsirabe
TAOM-BAOVAO MALAGASY 2024 (Antsirabe)
Ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2024 tao Antsirabe dia hetsika lehibe nentin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Vakinankaratra sy ny Komity Mpikarakara nanandratana sy nampiroboroboana ny kolontsaina malagasy. Natao hampahatsiahivana sy hanamafisana indray ny maha-malagasy, ity fankalazana ity dia nisy andiany roa, tamin’ny 10 sy 11 Martsa 2024, izay nahitana hetsika ara-drazana, fombafomba nentin-drazana, ary zavakanto maroloko nahasarika mpandray anjara maro.
Ny alin’ny Alahady 10 Martsa, dia notanterahina tao amin’ny Hôtel des Thermes Antsirabe ny andiany voalohany amin’ny fankalazana. Natao nandritra izany ny fandrehetana ny Afo Tsy Maty, izay anisan’ny fomban-drazana manamarika ny fahaterahan’ny taombaovao malagasy. Rehefa tafatsangana ny afo, dia notanterahina koa ny fanosorana tantely ho an’ny rehetra tonga nanatrika. Ity fanosorana tantely ity dia fanao nentim-paharazana malagasy izay midika ho fahadiovana, fifampihavanana, ary firariantsoa amin’ny taona vaovao. Nisy koa ny fafirano nataon’ny raiamandreny ara-drazana, izay manamafy ny fifamatorana eo amin’ny taranaka sy ny razambe.
Teo amin’ny lafiny zavakanto, dia nasongadina nandritra ity alin’ny fankalazana ity ny vakodrazana, nampiaina ny feo sy ny gadona nentim-paharazana. Tsy latsa-danja tamin’izany ny hanimpitoloha, izay marika manamarika fifampizarana amin’ny fahazotoana amin’ny sakafo sy firaisankina amin’ny fianakaviana sy fiarahamonina. Ny alin’ny fankalazana dia nifarana tamin’ny korana mandra-maraina, izay natao ho an’ireo vahiny nasaina manokana sy ireo izay naniry hankalaza ny taombaovao amin’ny fomba malagasy tanteraka.
Ny ampitson’iny, Alatsinainy 11 Martsa, dia nitohy tamin’ny hetsika lehibe tao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Akon’Ankaratra Vatofotsy. Seho lehibe natokana ho an’ny vahoaka sy ho fanandratana bebe kokoa ny fomban-drazana malagasy no nentina nanamarihana izany. Nisongadina tamin’ity andro ity ny kabary nentim-paharazana, izay nahitana don-tany sy kapotandroka, fanehoana fahaiza-miteny sy fahaizana maneho hevitra amin’ny fomba malagasy. Ankoatra izay, dia nisy ihany koa filatroana taovolo sy fitafy malagasy, nanehoana sy nampisehoana amin’ny tanora ankehitriny fa manana kanto sy endrika manokana ny fomba fiakanjo sy fitafy nentim-paharazana.
Tsy latsa-danja tamin’ny fandaharana ny tandonaka, izay seho nentin’ny Malagasy tamin’ny faha-mpanjaka, nampitondraina hafatra sy anatra ho an’ny rehetra. Nandravaka ihany koa ny hetsika ny hirahira nentin’ireo mpanakanto niangaly gadona malagasy, ary anisan’ny nanome lanja manokana ny fiaraha-mientana sy fifampizarana tamin’ity andron’ny fankalazana ity ny antsa tononkalo izay nentin’ireo mpanoratra sy poety malagasy, anisan’izany ny ekipa Malagasy Manoratra sampana Antsirabe, notarihin’ny filohany RAMANANKOLAZAINA Soratra Fitia.
Ity hetsika goavana natao tao Antsirabe ity dia porofo fa mbola velona sy manjaka hatrany ny fomban-drazana sy ny kolontsaina malagasy. Izy io dia nanome toerana ho an’ny taranaka ankehitriny hianatra sy hahafantatra bebe kokoa ny maha-malagasy azy, ary nampiavaka ny fankalazana tamin’ity taona ity ny fifanomezan-tanana teo amin’ireo fikambanana samihafa. Raha zohina, dia tsy fankalazana tsotra ihany no natao fa ezaka lehibe hamerina amin’ny laoniny ny maha-malagasy amin’ny alalan’ny fombafomba sy zavakanto nentim-paharazana, ka hampiroboroboana hatrany ny kolontsaina sy ny fiteny malagasy amin’ny taona ho avy.





