top of page
  • Facebook
  • Whatsapp

Rano iray

Amboaran-tononkalo

Sokajy:

7 Desambra 2024

Daty:

Tranoben'ny serasera sy kolontsaina Akon'Ankaratra

Toerana:

Antsirabe

Sampana:

Mpandray anjara:

15 mianadahy

Boky amboaran-tononkalo mitondra ny lohateny hoe "Rano Iray" no nivoaka ofisialy teo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny 07 Desambra 2024. Notanterahina tao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Akon’Ankaratra, Piste Vatofotsy, ity lanonana ity, izay nanamarika dingana lehibe ho an’ny literatiora sy ny asa soratra eto amin’ny faritra Vakinankaratra.


Ity boky ity dia maneho ny firaisan-kina sy ny finiavan’ny mpanoratra ato amin’ny fikambanana MALAGASY MANORATRA – sampana Vakinankaratra hampiroborobo ny tononkalo sy hanandratra ny feon’ny poezia malagasy. Ahitana tononkalo avy amin’ny mpanoratra 15 mianadahy izy, samy manolotra endrika sy aingam-panahy miavaka, maneho ny fiainana, ny tontolo iainana ary ny fanehoam-pitiavana amin’ny alalan’ny teny mirindra.


Tonga nanome voninahitra sy nanohana izao dingana lehibe izao ny Filoha Nasionalin’ny fikambanana Malagasy Manoratra, Andriamatoa Njarasoa R.A, maneho fanohanana feno ho an’ireo poeta sy mpanoratra ato amin’ny sampana Vakinankaratra. Tsy vitan’ny hoe famoahana boky fotsiny ity hetsika ity, fa porofo mivaingana ihany koa amin’ny fivelaran’ny literatiora sy ny firoboroboan’ny poezia amin’ny faritra. Manaporofo fa misokatra amin’ny sehatra lehibe kokoa ny asa soratra eto Vakinankaratra ary manana ny toerany amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny kanto malagasy.

Fond bleu.jpg
MALAGASY MANORATRA

Adidintsika rehetra ny manandratra sy manome lanja ny teny Malagasy. 'Ndao  isika hifanome tanana!

Mandrosoa hasina tompoko!

Ireo sampana:

✔  Analamanga
✔  Itasy
✔  Toamasina
✔  Vakinankaratra

Fifandraisana:

Lot IIIX 115 DCP Anosibe Andrefana II,

Antananarivo 101.

© 2023 - 2025    Zo rehetra voatahiry - Fidy Art Niaina.  Noforonina tamin'ny Wix.com

bottom of page