top of page

Ireo birao mitantana ny MALAgasy MAnoratra

Ny fikambanana MALAgasy MAnoratra dia manana birao mijoro ara-panjakana izay voarakitra ao amin'ny sata mifehy.

FILOHA-EFATRA.png
pexels-photo-2422916.jpeg
Hai-tarika

Ny rafi-pitantanana eto amin'ny MALAgasy MAnoratra

Misy sokajy telo mazava tsara ny fitantanana misy eto amin'ny fikambanana MALAgasy MAnoratra :

NY BIRAO : sokajy voalohany ao anaty rafi-pitantanana ny fikambanana. Izy io dia ahitana ny filoha, ny filoha lefitra, ny mpitantsoratra, ny mpitambola, ny mpanolo-tsaina...

Ny birao Analamanga no mitazony toeran'ny birao foibe mifehy ny fikambanana manerana ny nosy.

Ny sampana MALAgasy MAnoratra dia isaky ny faritra (region) ary ahitana birao mahaleo-tena ara-dalana ihany koa izy ireo.

Ny MPANDRINDRA : izy ireo dia olona roa na telo mitantana  ny zanaky ny sampana. Mitsangana ny zanaky sampana rehefa misy toerana lavitry ny foiben'ny sampana nefa ahitana mpikambana maromaro.

Ohatra : Ny foiben-toeran'ny sampana Vakinankaratra dia Antsirabe Antanambao, noho izany raha misy mpikambana maromaro avy any Ambatolampy sy Betafo dia afaka manokatra zanaky ny sampana izy ireo. Ireo mpandrindra no mampita vaovao sy mampifandray ny mpikambana sy ny biraon'ny sampana.

Ny VAOMIERA : sokajy fahatelo ao amin'ny rafi-pitantanana. Izy ireo dia olona voafidy na voatendry hanampy ny birao sy ny mpandrindra. Ahitana andraikitra maro toy vaomieran'ny serasera, vaomieran'ny fitaovana, vaomiera'ny kanto, sns...

bottom of page